Asa 5, 29-42 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. 30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo. 31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. 32 Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy. 33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy. 34 Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo. 35 Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo. 36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona. 37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy. 38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana; 39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo. 40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha. 41 Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany. 42 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
Apo 12, 1-6 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 1 Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany, 2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka. 3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany. 4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka; 5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany. 6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
Mat 2, 13-15 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. 14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta; 15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).
Isa 9, 1-6 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava. 2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo. 3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana. 4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany. 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. 6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
2Mpa 19, 1-7 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 1 Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah, 2 Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza. 3 Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy. 4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa. 5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka. 6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy. 7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
Asa 4, 1-12 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 1 Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo; 2 fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty. 3 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay. 4 Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.
5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna 6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe. 7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany? 8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, 9 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. 11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). 12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. Lio 1, 26-33 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 26 Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, 27 ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. 28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. 29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. 30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. 31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. 32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; 33 ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
1Mpa 11, 4-13 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy. 5 Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita. 6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy. 7 Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona. 8 Ary toy izany koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny. 9 Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa 10 sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy. 11 Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao. 12 Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy. 13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
Lio 12, 32-40 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. 33 Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba. 34 Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo. 35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; 36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay. 37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. 38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.
Oha 8, 12-21 « AN'NY TOMPO NY FANJAKANA » 12 Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava. 13 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. 14 Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery; 15 Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny; 16 Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany. 17 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. 18 Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. 19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina. 20 Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina, 21 Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|