ISA 62. 10-12 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena. 11 Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin'ny faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany. 12 Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan'i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
LIO 19. 11-28 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 11 Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina. 13 Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko. 14 Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay. 15 Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana. 16 Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo. 17 Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo. 18 Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy. 19 Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao. 20 Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara. 21 Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao. 22 Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; 23 koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany? 24 Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo 25 (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.) 26 Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. 27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ , ka vonoy eto anatrehako. 28 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
ASA 9. 36-41 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. 37 Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony. 38 Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay. 39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony. 40 Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina. 41 Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
KOL 3. 22-25 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; 23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo. 25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,
MAT 5. 21-24 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. 23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
JOB 42. 7-10 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 7 Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy. 8 Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy. 9 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba. 10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy. MAT 26. 6-13 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 6 Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka, 7 dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy. 8 Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao? 9 Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo. 10 Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko. 11 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. 12 Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany. 13 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
MAR 4. 15-23 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. 16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; 17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, 19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. 20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. 21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy? 22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho. 23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
APO 2. 18-28 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 18 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. 24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. ISA 43. 1-7 « ANKASITRAHAN'NY TOMPO NY ASAN'NY MINO » 1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. 2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; 3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. 4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao. 5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; 6 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany, 7 Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|