Efe 3, 14-20 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray 15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana, 16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; 17 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo, 18 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany. 19 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. 20 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Lio 10, 17-24 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 17 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao. 18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra. 19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. 21 Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. 22 Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. 23 Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. 24 Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
Asa 4, 23-31 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina. 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana
Nom 11, 24-30 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 24 Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. 25 Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony. 26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. 27 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby. 28 Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. 29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny! 30 Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.
1Kor 2, 1-5 «MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA» 1 Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra. 2 Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana; 3 ary izaho, raha tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be; 4 ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery, 5 mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.
Hag 2, 1-9 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 1 Tamin’ ny andro fahiraika amby roa -polo tamin’ ny volana fahafito no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe:
2 Lazao amin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy amin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin’ ny sisa amin’ ny vahoaka hoe: 3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity? 4 Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, hianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, 5 araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta hianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra hianareo. 6 Fa izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; 7 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. 8 Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. 9 Ny voninahitr’ ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; ary eto amin’ ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Jao 16, 12-15 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. 15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
1Tes 1, 1-10 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 1 Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
2 Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay, 3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika; 4 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo, 5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo. 6 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina, 7 ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo. 8 Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony. 9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina, 10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy. Eze 36, 22-30 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo. 23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. 24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.
Rom 8, 12-17 « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA » 12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo. 14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|