2Tan 13, 4-18 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 4 Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra: 5 Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira. 6 Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony. 7 Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. 8 Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo. 9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra. 10 Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany; 11 ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain'i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy. 12 Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak'isiraely ô, aza miady amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo. 13 Fa nasain'i Jeroboama nanompirana no fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan'ny Joda, ary ny otrika teo ivohony. 14 Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra. 15 Dia nihoby ny lehilahy amin'ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan'i Abia sy ny Joda. 16 Ary ny Zanak'isiraely nandositra niala teo anoloan'ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany, 17 ka nahafatesan'i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin'ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina. 18 Toy izany no nampietrena ny Zanak'isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
Lio 7, 36-50 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 36 Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana. 37 Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; 38 ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra, 39 Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io. 40 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô. 41 Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. 42 Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra? 43 Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao. 44 Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany. 45 Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro. 46 Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro. 47 Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana. 48 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. 49 Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka? 50 Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
Mat 24, 15-28 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), 16 dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; 17 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; 18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. 19 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo! 20 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. 21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. 22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. 23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ary ; aza mino ianareo. 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. 25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany. 26 Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. 27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 28 Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.
Sal 68, 32-35 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 32 Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, 33 Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. 34 Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra. 35 Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
Efe 1, 15-23 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 15 Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan'ny olona masina rehetra, 16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako, 17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara, 18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina, 19 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany, 20 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra, 21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa, 22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana, 23 izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
Apo 5, 1-14 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 1 Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? 3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. 4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy. 5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. 6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. 7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. 9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; 10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. 11 Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, 12 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. 13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. 14 Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
Apo 12, 7-12 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady, 8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. 9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. 10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. 11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza. 12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
Eks 9, 13-21 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy 14 Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra. 15 Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin'ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin'ny tany ianao. 16 Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin'ny tany rehetra ny anarako. 17 Mbola mirehareha amin'ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy? 18 Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny. 19 Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa. 20 Ary izay natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano; 21 fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin'i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.
Mat 9, 1-8 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 1 Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany. 2 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity. 4 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5 Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? 6 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. 7 Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony. 8 Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany. Lio 4, 31-37 « MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO » 31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata. 32 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny. 33 Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy 34ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy. 36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. 37 Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|