1SAM 17. 42-54 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 42 Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy. 43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina 44 sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy. 45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. 48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. 49 Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy. 52 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona. 53 Ary ny Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa. 54 Ary ny lohan'ilay Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.
1KOR 16. 10-14 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 10 Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. 11 Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho. 12 Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. 13 Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. 14 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.
APO 1. 17-20 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, 18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. 19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, 20 dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.
EKS 1. 15-21 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 15 Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray) 16 ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy. 17 Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy. 18 Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy? 19 Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy. 20 Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona. 21 Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.
JOS 11. 1-11 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 1 Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa, 2 ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana, 3 dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa. 4 Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra. 5 Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma. 6 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny. 7 Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy. 8 Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 9 Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo. 10 Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny. 11 Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.
EFE 3. 8-13 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; 10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana, 11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, 12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy. 13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
JAO 20. 19-23 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. 20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. 21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; 23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
MAT 9. 20-22 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. 21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho. 22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay.
EST 7. 1-6 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 1 Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ho ao amin'ny fanasana 2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. 3 Dia namaly Estera, vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako; 4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e. 5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory? 6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana.
ASA 4. 23-31 « ANDRESENA NY TAHOTRA NY FINOANA » 23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina. 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|