23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. 25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay. 26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina. 27 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity. 28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Mat 28, 16-20 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO »16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany. 17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana. 18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; 19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina 20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
Eze 3, 4-14 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO »4 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko. 5 Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany; 6 tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy. 7 Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po. 8 Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny. 9 Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. 10 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao, ka henoy amin'ny sofinao. 11 Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.
12 Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. 13 Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be. 14 Ary nisy fanahynanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao 1Sam 10, 17-27 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO »17 Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah 18 ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo. 19 Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
20 Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy. 21 Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy. 22 Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy. 23 Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany. 24 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka. 25 Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy. 26 Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony. 27 Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina. Deo 10, 12-19 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO »12 Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, 13 hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? 14 Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly; 18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo.
Lio 6, 12-16 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO »12 Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy. 13 Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly, 14 dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo 15 sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota, 16 sy Jodasy, zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika.
2Tes 2, 13-16 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO »13 Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina, 14 sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika. 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay. 16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana
1Tan 28, 1-7 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO »1 Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra. 2 Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy; 3 nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà. 4 Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra. 5 Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely. 6 Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. 7 Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao.
Asa 1, 23-26 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO » 23 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia. 24 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto, 25 mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany. 26 Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
2Tan 6, 1-6 « HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO » 1 Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy. 2 Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay. 3 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), 4 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe: 5 Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; 6 fa nifidy an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|