Mar 10, 17-22 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17). 20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely. 21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. 22 Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be.
Deo 16, 18-20 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 18 Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo. 19 Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ary mamadika ny tenin'ny marina. 20 Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
1Tim 6, 3-10 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, 5 fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra. 6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana. 7 Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. 8 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany. 9 Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana. 10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
2Pet 2, 17-22 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 17 Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina. 18 Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony; 19 fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy. 20 Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. 21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. 22 Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray."
Jao 12, 3-8 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 3 Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. 4 Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: 5 Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? 6 Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. 7 Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io. 8 Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
13 Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; 15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, 16 satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44). 17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ; 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, 19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; 20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo 21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
Sal 37, 16-26 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 16 Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro. 17 Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
18 Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay. 19 Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy. 20 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy. 21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome. 22 Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana. 23 Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany. 24 Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy. 25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina. 26 Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina. Amo 5, 10-15 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 10 Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. 11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy. 12 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. 13 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao. 14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo. 15 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa.
2Kor 6, 14-18 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina? 15 Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? 16 Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12). 17 Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. 18 Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12).
Mat 26, 14-15 « SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY » 14 Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona 15 ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|