1Tim 2, 1-7 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 1 Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, 2 ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. 3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. 5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, 6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. 7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.
Mat 20, 20-28 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 20 Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy. 21 Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao. 22 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany. 23 Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena. 24 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy. 25 Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. 26 Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; 27 ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo. 28 Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Gen 2, 4-9 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 4 Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: 5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; 6 nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra. 7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. 8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Gal 6, 6-10 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.
7 Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. 8 Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. 9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. 10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana. Deo 32, 44-47 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 44 Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin'izany fihirana izany teo anatrehan'ny olona, dia izy sy Hosea, zanak'i Nona. 45 Ary nony efa tapitra voalazan'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany, 46 dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin'ity lalàna ity. 47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
Mar 10, 28-31 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. 29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, 30 ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. 31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
1Jao 5, 1-12 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. 4 Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
6 Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. 7 Fa misy telo izay manambara, 8 dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo. 9 Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany. 10 Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy. 11 Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. 12 Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Lev 4, 13-21 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 13 Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka, 14 rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana. 15 Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah. 16 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana, 17 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba. 18 Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana. 19 Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara. 20 Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony. 21 Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.
Amo 5, 4-7 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 4 Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo; 5 Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona. 6 Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo, 7 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.
Jao 15, 9-16 « MANOLOTRA NY FIAINANY NY TOMPO » 9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo. 10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. 11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14 Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. 15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo. 16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|