Asa 8, 14-24 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 14 Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. 15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. 16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy. 17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo. 18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy 19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana. 20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21 Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra. 22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. 23 Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao. 24 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
Oha 15, 1-8 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 1 Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
2 Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana. 3 Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. 4 Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. 5 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry. 6 Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza. 7 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala. 8 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany. Mar 12, 38-40 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 38 Ary hoy Izy amin'ny fampianarany: Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain'olona eny an-tsena, 39 ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny fanasana, 40 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
Deo 6,14-19 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 14 Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, 15 fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao. 16 Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa. 17 Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao. 18 Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy, 19 ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.
1Pet 4, 12-19 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, 13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa. 14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. 15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona. 16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy. 17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? 18 Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31). 19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
Mat 25, 31-46 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 31 Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; 32 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; 33 ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany. 34 Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; 35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. 37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? 38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? 39 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. 41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; 42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; 43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. 44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? 45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. 46 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
Deo 24, 5-7 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
6 Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany. 7 Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin'ny Zanak'Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. Jer 22, 1-5 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 1 Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe: 2 Henoy ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahady ireto: 3 Izao no lazain'i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin'ity fitoerana ity. 4 Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany. 5 Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
Amo 8, 4-6 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 4 Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany 5 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga 6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
Asa 4, 1-12 « MANDEHANA AMIN'NY RARINY SY HITSINY AO AMIN'NY TOMPO » 1 Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo; 2 fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty. 3 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay. 4 Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.
5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna 6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe. 7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany? 8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, 9 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. 11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). 12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. |
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|