Jao 1, 14-18 « MAHARITRA TSY MIOVA NY TOMPO » 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. 15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy 16 Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana. 17 Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
Asa 13, 1-5 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 1 Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly. 2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. 3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy. 4 Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy. 5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
Zak 8, 18-23 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 18 Ary ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe: 19 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin'ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana. 20 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin'ny tanàna maro ho avy; 21 ary ny mponina ao amin'ny anankiray hankany amin'ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho koa mba handeha. 22 Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro, any Jerosalema sy hifona amin'i Jehovah. 23 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.
Lio 2, 15-20 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 15 Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika. 16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona. 17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. 18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy. 19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. 20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
Rom 1, 1-7 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 1 Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra, 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina, 3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra; 6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, - 7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
2Tan 23, 18-21 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 18 Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao. 19 Ary nalatsany teo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao. 20 Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy. 21 Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny sabatra.
Isa 40, 6-8 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 6 Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha; 7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona. 8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
Lio 2, 8-14 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina. 9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. 10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona; 13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 14 Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.
Lio 1, 57-66 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 57 Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy. 58 Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo. 59 Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany. 60 Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy. 61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany. 62 Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany. 63 Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra. 64 Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra. 65 Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany. 66 Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
Isa 65, 17-25 « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO » 17 Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18 Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. 19 Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. 20 Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina. 21 Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. 22 Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany. 23 Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy. 24 Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. 25 Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah. |
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|