Apo 12, 13 - 13, 1a « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 13 Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy. 14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy. 15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka izy. 16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany. 17 Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. 1 Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
Jos 23, 1 - 10 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 1 Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, 2 dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana, 3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo. 4 Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana. 5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. 6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, 7 mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; 8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany. 9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany. 10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
Mat 15, 1 - 9 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 1 Dia nankeo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe: 2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. 3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? 4 Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). 5 Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. 6 Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe: 8 Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. 9 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13).
Deo 28, 1 - 14 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 1 Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; 2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao 3 Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha. 4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao. 5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. 6 Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. 7 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. 8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. 9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany. 10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. 11 Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. 12 Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. 13 Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. 14 Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
Dan 9, 4 - 14 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 4 Ary nivavaka tamin'i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, 5 efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao sy ny fitsipikao izahay, 6 ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra. 7 Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin'izao anio izao, dia an'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin'ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay nandisoany taminao; 8 eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay. 9 An'ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay 10 ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay. 11 Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay. 12 Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin'ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema. 13 Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy no nahatongavan'izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin'ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao. 14 Koa izany no nitehirizan'i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin'ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.
2Mpa 23, 1 - 3 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 1 Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra. 2 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah. 3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
Lio 15, 25 - 32 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. 26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. 27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. 28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. 29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako; 30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. 31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. 32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
Jos 22, 1 - 5 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 1 Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase, 2 ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo; 3 tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo. 4 Ary ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana. 5 Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
Deo 11, 13 - 21 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 13 Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, 14 dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao; 15 ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
16 Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo; 17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo. 18 Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo; 19 ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha; 20 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy; 21 mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany. 1Jao 5, 1 - 3 « MAMPITANDRINA AMIN'NY DIDINY ANDRIAMANITRA » 1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|