Mat 16, 13-19 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 13 Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona? 14 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany. 15 Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? 16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona. 17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. 18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. 19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
1Kor 1, 4-9 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy, 5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, 6araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo, 7 ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 8 Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika
Kol 2, 16-23 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; 17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. 18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony 19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra. 20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - 22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
2Mpa 22, 11-20 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 11 Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy. 12 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe: 13 Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika. 14 Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
15 Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: 16 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda. 17 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana. 18 Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao, 19 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah. 20 Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo. 1Pet 2, 1-10 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra, 2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena, 3 raha tàhiny "nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;" 4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa," 5 ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 6 Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa. 28.16). 7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22), 8 "Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy. 9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; 10 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).
Mat 23, 1-12 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 1 Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe: 2 Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; 3 koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. 4 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa. 5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny. 6 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga 7 sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô! 8 Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. 9 Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. 10 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. 11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. 12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra
Asa 17, 1-9 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 1 Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao. 2 Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao. 3 Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy. 4 Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja.
5 Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona. 6 Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo; 7 ary efa nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy. 8 Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany. 9 Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy. Oha 23, 26-35 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako; 27 Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; 28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
29 An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? 30 An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. 31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra; 32 Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. 33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy. 34 Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo. 35 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray? Jao 14, 5-11 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. 8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
Jer 13, 15-17 « ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA » 15 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny. 16 Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito. 17 Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|