ISA 44. 21-23 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 21 Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô, 22 Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. 23 Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.
EKS 23. 25-30 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 25 Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina. 26 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao. 27 Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho. 28 Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny. 29 Tsy handroaka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia. 30 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
ROM 1. 1-7 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 1 Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra, 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina, 3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra; 6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, - 7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
SAL 111. 1-10 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 1 Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
2 Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy. 3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. 4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. 5 Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny. 6 Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa. 7 Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; 8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. 9 Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany. 10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy. LIO 2. 15-20 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 15 Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika. 16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona. 17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. 18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy. 19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. 20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
JAO 1. 14-18 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo, dia hataoko izany.
15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho. ISA 9. 1-6 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava. 2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo. 3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana. 4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany. 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. 6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
MIK 5. 1-5 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 1 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2 ny Zanak'Isiraely. 3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika. 5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.
LIO 1. 26-38 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 26 Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, 27 ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. 28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. 29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. 30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. 31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. 32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; 33 ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. 34 Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? 35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra. 36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. 37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra. 38 Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
1TAN 16. 28-36 « ANOMEZAM-BONINAHITRA NY TOMPO NY FINOANA » 28 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
29 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina 30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika. 31 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka. 32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy. 33 Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy. 34 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony. 35 Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao. 36 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah. |
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|