Lio 1, 39-56 « MIFALIA AMIN'NY FITIAVAN'NY TOMPO »
46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo, 47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy; 48 Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho. 49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany. 50 Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby. 51 Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy. 52 Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa. 53 Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina. 54 Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony 55 (Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay. 56 Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.