Jak 3, 13-18 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena. 14 Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. 15 Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia. 16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.
Lio 21, 34-36 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany. 36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
Oha 20, 1-3 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 1 Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
2 Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy, 3 Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka. Zak 8, 14-17 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho, 15 dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda amin'izao andro izao: aza matahotra ianareo. 16 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; 17 ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
Efe 2, 11-22 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 11 Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora - 12 eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; 13 fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy. 14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, 15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, 16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. 17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin'izay akaiky koa. 18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray. 19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, 20 natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; 21 ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo. 22 Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
Oha 25, 21-22 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 21 Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny; 22 Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
Mat 5, 25-26 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. 26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Zak 7, 8-10 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 8 Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; 10 ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
Isa 58, 6-12 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 6 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? 7 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao ianao? 8 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao 9 Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy, 10 Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana; 11 Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra. 12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.
2Kor 13, 11-14 « MIHAVÀNA AO AMIN'NY TOMPO » 11 Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo. 12 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. 13 Ny olona masina rehetra manao veloma anareo. 14 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|