9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy. 10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany. 11 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota? 12 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. 13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
Deo 31, 14-30 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »14 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana. 15 Ary Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay ny andri-rahona. 16 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy. 17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko? 18Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy. 19 Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely. 20 Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko. 21Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena azy izy. 22Dia nosoratan'i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak'Isiraely. 23Ary Jehovah nandidy an'i Josoa, zanak'i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak'Isiraely hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
24 Ary rehefa voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky avokoa ny tenin'ity lalàna ity, 25 dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, izy ka nanao hoe: 26Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao. 27 Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho. 28Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho. 29Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tananareo. 30 Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany. Lio 6, 41-49 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »41 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory? 42 Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny rahalahinao. 43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. 44 Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy. 45 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany. 46 Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? 47 Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy: 48 Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy. 49 Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.
Heb 12, 1-6 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »1 Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, 2 mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. 3 Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. 4 Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà. 5 Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao; 6 Fa izay tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3.11,12).
Deo 29, 13-28 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »13 Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao, 14 fa amin'izay eto amintsika anio eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika sy amin'izay tsy eto amintsika anio koa; 15 fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin'ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin'ny jentilisa; 16 ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy; 17 fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin'i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty; 18 ary raha ren'izany olona izany ny tenin'ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin'ny mangetaheta. 19 Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'i Jehovah tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anarany. 20 Dia hosarahin'i Jehovah amin'ny firenen'Isiraely rehetra ho amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity. 21 Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin'ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin'ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan'i Jehovah azy 22 fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany sy ny fahatezerany 23 dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan'izao fahatezerana lehibe izao? 24 Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. 25 Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy; 26 dia nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin'ity boky ity; 27 ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan'i Jehovah azy tsy ho eo amin'ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin'ny tany hafa, tahaka ny amin'izao anio izao. 28 An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
2Mpa 22, 15-20 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »15 Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: 16 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda. 17 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana. 18 Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao, 19 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah. 20 Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
Mar 4, 1-9 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »1 Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina. 2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe: 3 Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy. 4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany. 5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. 6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. 9 Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Deo 11, 8-17 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »8 Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana; 9 ary, mba ho maro andro ianareo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely. 10 Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen'anana. 11 Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin'ny ranonoran-danitra, 12 dia tany izay tandreman'i Jehovah Andriamanitrao; ny mason'i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafarany. 13 Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, 14 dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao; 15 ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
16 Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo; 17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo. Mar 13, 28-37 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »28 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy. 30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. 31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. 33 Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana. 34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; 35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. 37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa : Miambena.
1Pet 3, 8-17 « VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO »8 Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. 10 "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; 11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. 12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16). 13 Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo? 14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo; 15 fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, 16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo. 17 Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|