1KOR 11. 23-29 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, 24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. 25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. 26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. 27 Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. 28 Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. 29 Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.
ISA 40. 9-11 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! 10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany. 11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
SAL 145. 1-7 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 1 Fideran'i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. 2 Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
3 Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany . 4 Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe. 5 Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. 6 Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. 7 Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao. JAO 9. 8-17 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 8 Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka? 9 Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy. 10 Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao? 11 Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra. 12 Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro. 13 Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo. 14 Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy. 15 Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho. 16 Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy. 17 Ary hoy indray izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
MPITS 16. 28-31 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 28 Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa. 29 Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy. 30 Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany. 31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
EFE 3. 1-13 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 1 Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, - 2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, 3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo. 4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy, 5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany, 6 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara, 7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny. 8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; 10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana, 11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, 12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy. 13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
LIO 19. 5-10 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 5 Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio. 6 Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly. 7 Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin'izay lehilahy mpanota Izy. 8 Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany. 9 Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa. 10 Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.
SAL 77. 10-15 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 10 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra. 11 Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; 12 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
13 Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? 14 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao. 15 Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa. SAL 96. 1-6 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 1 Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra. 2 Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly. 3 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra. 5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra. 6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina. JAO 5. 10-16 « MANAMBARA NY ASAN'NY TOMPO NY MINO » 10 Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao. 11 Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana. 12 Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana? 13 Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo. 14 Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo. 15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy. 16 Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|