Apo 3, 7-13 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 7 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. 9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
Sal 17, 1-12 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 1 Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka. 2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina. 3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro. 4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny. 5 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko. 7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo. 8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao, 9 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy. 10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany. 11 Manodidina anay amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay; 12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena. Mat 21, 1-10 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 1 Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: 2 Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko. 3 Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy. 4 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: 5 Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa (Zak. 9. 9). 6 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy, 7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy. 8 Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany. 9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). 10 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
Zak 9, 9-11 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany. 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
Job 2, 1-10 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 1 Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah. 2 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny. 3 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao. 4 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy. 5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e! 6 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. 7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany. 8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona. 9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty. 10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
Lio .8, 11-15 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 11 Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12 Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. 13 Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy. 14 Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa. 15 Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.
Sal 11, 1-7 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?
2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo. 3 Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao? 4 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona. 5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny. 6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. 7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany. Jer 20, 11-13 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 11 Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany! 12 Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko. 13 Mihirà ho an'i Jehovah, miderà an'i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin'ny malahelo tamin'ny tanan'ny mpanao ratsy.
Lio 18, 35-43 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 35 Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. 36 Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany? 37 Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo. 38 Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 39 Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 40 Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy 41 ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko. 42 Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao. 43 Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.
Sal 66, 8-12 « MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA » 8 Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, 9 Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. 10 Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy. 11 Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. 12 Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|