Lio 21, 12-19 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. 13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. 14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; 15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. 16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. 17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. 18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza. 19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
2Tim 1, 6-12 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 6 Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako. 7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. 8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra, 9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; 10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay; 11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra. 12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay.
1Sam 2, 1-10 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 1 Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.
2 Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika . 3 Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa. 4 Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery. 5 Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka. 6 Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana. 7 Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra. 8 Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao. 9 Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona. 10 Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony. Jao 20, 26-31 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. 27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. 28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. 30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity; 31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.
Jao 11, 18-27 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 18 Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio no elanelany. 19 Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny. 20 Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano. 21 Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao. 23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao. 24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany; 25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. 26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? 27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.
Rom 14, 7-9 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 7 Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany. 8 Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany. 9 Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy
Oha 10, 1-12 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 1 Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2 Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana. 3 Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy. 4 Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto. 5 Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra. 6 Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. 7 Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy. 8 Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava. 9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra. 10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava. 11 Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. 12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. Sal 116, 1-9 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 1 Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy. 2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
3 Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. 4 Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko. 5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika. 6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy. 7 Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao, 8 Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana. 9 Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho. 1Kor 15, 54-58 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa. 25. 8). 55 Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). 56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota. 57 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 58 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
Apo 3, 14-22 « MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO » 14 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao:
15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao; 17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; 18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. 19 Izayrehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. 21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. 22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. |
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|