2Tan 30, 1-9 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 1 Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 2 Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana ny Paska amin'ny volana faharoa. 3 Nefa tsy nahatandrina azy tamin'izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema. 4 Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany. 5 Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. 6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria. 7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy. 8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. 9 Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
Asa 15, 13-21 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 13 Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy: 14 Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany. 15 Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe: 16 Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray; 17 Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah, 18 Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12). 19 Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra; 20 fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà. 21 Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
Mar 1, 14-15 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra 15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
Oha 1, 20-23 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 20 Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; 21 Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe: 22 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana? 23 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
2Tim 2, 22-26 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. 24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, 26 ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.
Jer 3, 22-25 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 22 Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray. 23 Foana tokoa ny horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin'i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely. 24 Fa lanin'ilay mampahamenatra hatramin'ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran'ny razanay, dia ny ondry aman'osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy. 25 Aoka handry ao amin'ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin'i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin'ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
Lio 15, 11-24 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 11 Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy. 12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany. 13 Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany. 14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy. 15 Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. 16 Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy. 17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! 18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho 19 ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho. 20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. 21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. 22 Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; 23 ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; 24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
Deo 30, 1-10 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 1 Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, 2 ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, 3 dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao. 4 Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao. 5 Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. 6 Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao. 7 Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny. 8 Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio. 9 Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao, 10 raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Asa 3, 12-21 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. 14 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. 18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny. 19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, 20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, 21 Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.
Isa 31, 4-6 « MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO » 4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany. 5 Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. 6 Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|