Eks 4, 10-17 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 10 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. 11 Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va 12 Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao. 13 Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina. 14 Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony. 15 Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo. 16 Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy. 17 Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
Mat 24, 1-14 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. 2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. 3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. 4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. 6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. 8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana. 9 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. 10 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy. 11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. 12 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro. 13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. 14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
1Tim 3, 1-7 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 1 Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. 2 Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, 3 tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan'Andriamanitra?), 6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
Rom 14, 19-23 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 19 Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. 20 Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana. 21 Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao. 22 Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny. 23 Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.
Jon 1, 1-16 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 1 Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany. 3 Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah. 4 Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin'ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo. 5 Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso. 6 Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika. 7 Ary dia samy nanao tamin'ny namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo. 8 Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin'ny firenen'iza ianao? 9 Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina. 10 Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany. 11 Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina. 12 Ary hoy izy tamin'ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin'ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo. 13 Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy. 14 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao. 15 Dia nobetain'izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin'ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina. 16 Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.
Jak 2, 21-26 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 21 Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? 22 Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; 23 ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). 24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany. 25 Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa? 26 Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
2Kor 3, 12-18 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 12 Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa, 13 ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona; 14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany. 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy. 16 Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana. 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. 18 Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Lio 4, 38-41 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 38 Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy. 39 Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.
40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy. 41 Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy. Nom 3, 5-10 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 5 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 6 Ento ny firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy. 7 Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely. 8 Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely. 9 Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo. 10 Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Mar 6, 7-13 « IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA » 7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto. 8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany. 9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa. 10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. 11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy. 12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. 13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|