2Kor 4, 16-18 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny. 17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, 18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Dan 4, 31-34 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 31 Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby; 32 ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin'ireo maro be any an-danitra sy amin'ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao? 33 Tamin'izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.
34 Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry. Jao 21, 20-25 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 20 Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao? 21Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity? 22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. 23 Ary niely tamin'ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? 24 Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany. 25 Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.
Efe 2, 1-10 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, 2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; 3 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. 4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika, 5 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); 6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy, 7 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
Isa 26, 11-19 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 11 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. 12 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. 13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao. 14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy. 15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany. 16 Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo. 17 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô, 18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao. 19 Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Gal 2, 19-21 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 19 Fa raha izaho, dia tamin'ny lalàna no nahafatesako ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho. 20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. 21 Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
Dan 12, 1-3 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 1 Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky. 2 Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. 3 Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
Sal 30, 1-12 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 1 Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho. 2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao. 3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.
4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina. 5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. 6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho. 7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho. 8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe: 9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? 10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao. 11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana, 12 Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho. Lio 24, 44-49 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. 48 Ary ianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.
2Sam 22, 47-51 « VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MINO » 47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy, 49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe; 50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. 51 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay. |
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|