Eze 20, 39-44 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 39 Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo. 40 Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra, 41 Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko aminareo. 42 Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo. 43 Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo. 44 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
Heb 12, 25-29 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 25 Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra, 26 Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6). 27 Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina. 28 Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana; 29 fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).
Mat 26, 6-13 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 6 Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka, 7 dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy. 8 Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao? 9 Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo. 10Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko. 11 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. 12 Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany. 13 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
2Kor 8, 1-5 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 1 Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena tao amin'ny fiangonana any Makedonia; 2 fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony. 3 Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany, 4 sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona masina izany; 5 ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra;
Jao 15, 1-8 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. 2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. 3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. 4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. 5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. 6Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. 7 Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8 Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
1Kor 6, 1-11 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 1 Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina? 2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. 4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny? 6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza. 7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? 8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza. 9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita 10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
1Tan 28, 9-10 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay. 10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.
Sal 99, 1-9 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 1 Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany. 2 Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy. 3 Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah. 4 Ny herin'ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin'i Jakoba.
5 Manandrata an'i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy. 6 Mosesy sy Arona tamin'ny mpisorony, Ary Samoela tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy. 7 Niteny taminy tao anatin'ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy. 8 Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza. 9 Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika. Rom 12, 1-2 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 1 Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. 2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
Eks 15, 11-13 « MANOMPOA NY TOMPO AMIN'NY FAHAMASINANA » 11 Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
12 Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany. 13 Tarihinao amin'ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin'ny herinao ho any amin'ny fonenanao masina izy. |
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|