Asa 4, 8 - 12 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, 9 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. 11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). 12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
Gen 41, 33 - 40 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 33 Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta. 34 Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito. 35 Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy 36 Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin'ny tany Egypta, mba tsy ho simban'ny mosary ny tany.
37 Ary sitrak'i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany. 38 Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika? 39 Ary hoy koa Farao tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao; 40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao. Lio 4, 14 - 19 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 14 Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany. 15 Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra. 16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. 17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: 18 Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, 19 Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2).
Sal 51, 1 - 12 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. 2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. 3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. 4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. 5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. 6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao. 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. Gal 6, 1 - 10 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 1 Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
2 Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy. 3 Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. 4 Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa; 5 fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. 6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra. 7 Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. 8 Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. 9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. 10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana. Mpits 14, 5 - 9 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy. 6 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony. 7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy. 8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona. 9 Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely. 10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo. 11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
Rom 15, 14 - 21 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo, dia feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa. 15 Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, 16 mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina. 17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra. 18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, 19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. 20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho; 21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).
Jao 16, 5 - 11 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 5 Fa ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao? 6 Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo. 7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. 8 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: 9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; 10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo; 11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
Heb 9, 23 - 28 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 23 Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny. 24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika; 25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa; 26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany. 27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana, 28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
Sal 68, 15 - 18 « MAMPAHERY NY FANAHY MASINA » 15 Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana. 16 Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah. 17 Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina. 18 Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|