Jer 44, 24-30 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 24 Ary hoy koa Jeremia tamin'ny olona rehetra sy tamin'ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin'ny tany Egypta: 25 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka. 26 Koa henoinareo ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin'ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo. 27 Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, izay atỳ amin'ny tany Egypta, dia ho ringan'ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany. 28 Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny Joda rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy. 29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: 30 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.
Jer 25, 1-14 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona 2 dia izay nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'ny Joda rehetra sy tamin'ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe: 3 Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo. 4 Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe: 5 Samia miala amin'ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay. 6 Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin'ny asan'ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho. 7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tananareo hahitanareo loza. 8 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko, 9 dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin'ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay. 10 Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro. 11 Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona. 12 Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay. 13 Ary hotoviko amin'izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity, izay novinanin'i Jeremia hamely ny firenena rehetra. 14 Fa ireo kosa indray dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tànany avy izy.
2Tes 1, 3-12 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra, 4 ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- 5 famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo 6 fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, 7 ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny, 8 amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika, 9 dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, 10 raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo. 11 Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana, 12 mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Asa 1, 15-20 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 15 Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) ka nanao hoe: 16 Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy; 17 fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa. 18 Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy. 19 Ary fantatr'izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà. 20 Fa voasoratra eo amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109. 8).
Jer 21, 1-10 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe: 2 Masìna ianao, manontania amin'i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan'ireo aminay. 3 Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin'i Zedekia hoe: 4 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i Babylona sy amin'ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan'ity tanàna ity ireo. 5 Ary Izaho no hiady aminareo amin'ny tanana ahinjitra sy amin'ny sandry mahery ary amin'ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra. 6 Ary hamely ny mponina amin'ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin'ny aretim-be mandringana izy. 7 Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
8 Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana: 9 Izay mbola mitoetra eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony. 10 Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo Deo 32, 36-43 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 36 Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
37 Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany, 38 Izay nihinana ny saboran'ny fanatiny Ary nisotro ny divain'ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo. 39 Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin'ny tanako. 40 Fa manangana ny tanako amin'ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay: 41 Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain'ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy. 42 Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran'ny voavono sy ny babo Mbamin'ny lohan'izay lehibe amin'ny fahavalo. 43 Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony. Lio 20, 45-47 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 45 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra: 46 Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana, 47 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
Jer 23, 9-24 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 9 Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina. 10 Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny. 11 Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah. 12 Koa dia ho toy ny lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah. 13 Ary tamin'ny mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko, 14 Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora. 15 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra. 16 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah. 17 Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo. 18 Fa iza moa no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny? 19 He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy. 20 Ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany. 21 Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy. 22 Fa raha isan'ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony. 23 Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? 24 Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
Apo 16, 1-7 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 1 Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
2 Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. 3 Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy. 4 Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny. 5 Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao; 6 fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany. 7 Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao. 1Sam 2, 27-36 « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » 27 Ary nisy lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy? 28 Eny, nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin'ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny Zanak'Isiraely amin'ny afo. 29 Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko? 30 Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. 31 Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao. 32 Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay. 33 Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony. 34 Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy. 35 Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy. 36 Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|