16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. 17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. 18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. 19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. 25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. 26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
2Kor 3, 12-18 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »12 Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa, 13 ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona; 14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany. 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy. 16 Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana. 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. 18 Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Mik 3, 5-8 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »5 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina: 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.
1Sam 10, 9-13 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »9 Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo. 10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy. 11 Ary nony hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany? 12 Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany? 13 Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.
Heb 2, 1-4 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »1 Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika. 2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana, 3 hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa, 4 sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
Lio 21, 34-36 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany. 36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
Mar 12, 35-37 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »35 Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida? 36 Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). 37 Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.
2Kor 3, 1-6 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »1 Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo? 2 Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra; 3 eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo. 4 Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy. 5 Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra, 6 Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
1Kor 2, 12-16 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay. 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. 16 Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy.
Zak 4, 1-7 « VAVOLOMBELON'NY TOMPO NY FANAHY MASINA »1 Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory. 2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony; 3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan'ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany. 4 Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko? 5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko. 6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro . 7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|