1Kor 15, 1-11 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. 3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. 6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. 7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. 9 Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho. 10 Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko. 11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
Lio 20, 1-8 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 1 Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona 2 ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany? 3 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko: 4 Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? 5 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo? 6 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona. 7 Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany. 8 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
Isa 61, 1-2 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 1 Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, 2 Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
2Sam 18, 19-21 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 19 Dia hoy Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin'ny fahavalony. 20 Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin'ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao. 21 Ary hoy Joaba tamin'ilay Kosita: Andeha, ambarao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan'i Joaba, dia lasa nihazakazaka.
Nah 2, 1-5 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 1 Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra. 2 Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao! 3 Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr'Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony. 4 Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona. 5 Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
Jer 1, 4-10 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
Mar 5, 18-20 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. 19 Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. 20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
Jer 31, 7-9 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 7 Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely. 8 Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ. 9 Amin'ny fitomaniana no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
1Tan 16, 23-27 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 23 Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
24 Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. 25 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra. 26 Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra. 27 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany. Isa 41, 25-29 « MITONDRÀ TENY SOA MAHAFALY » 25 Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga. 26 Iza no nitory izany hatramin'ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo. 27 Izaho no voalohany Izay milaza amin'i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema. 28 Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho. 29 Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|