Mar 16, 1 - 8 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 1 Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy. 2 Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo. 3 Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo antsika? 4 Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato. 5 Ary raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy. 6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy. 7 Fa mandehana, lazao amin'ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo. 8 Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin'ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin'olona izy, satria natahotra.
2Kor 13, 1 - 4 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 1 Izao no fanintelon'ny hankanesako atỳ aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15). 2 Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra, 3 satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa. 4 Fa voahombo tamin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.
Mar 15, 16 - 28 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 16 Ary ny miaramila nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra. 17 Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany. 18 Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! 19 Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. 20 Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy. 21 Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
22 Ary Jesosy dia nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha. 23 Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy. 24 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. 25 Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo fijaliana. 26 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY. 27 Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany. 28 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy (Isa. 53. 12) Mar 14, 22 - 25 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 22 Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. 23 Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany. 24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro. 25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Heb 10, 26 - 31 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, 27 fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa. 28 Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po; 29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana? 30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36). 31 Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.
Jos 4, 1 - 11 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 1 Ary rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe: 2 Mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena, 3 ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina. 4 Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena, 5 ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, 6 mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo? 7 dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely. 8 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka napetrany teo.
9 Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany. 10 Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona. 11 Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan'ny olona. Mal 2, 5 - 6 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6 Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.
Mar 11, 1 - 11 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy 2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento etỳ. 3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin'izay izy. 4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy. 5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky? 6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain'i Jesosy taminy, dia navelan'ny olona handeha izy. 7 Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy. 8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha. 9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! 10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). 11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania.
Heb 9, 15 - 22 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. 16 Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. 17 Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy. 18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà. 19 Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra; 20 dia hoy izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8). 21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa. 22 Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
Jao 3, 31 - 36 « MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO » 31 Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; 32 koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. 33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. 34 Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. 35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. 36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|