11 Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra. 12 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao. 13 Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino. 14 Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady. 15 Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany. 16 Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona. 17 Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
Rom 10, 5-15 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5). 6 Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,) 7 na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.) 8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay; 9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena. 11 Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16). 12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. 13 Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5). 14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? 15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
Deo 13, 7-12 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), 8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra), 9 dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao; 10 fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra. 11 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. 12 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.
Jos 24, 14-24 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »14 Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. 15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay. 16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. 17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika. 18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
19 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. 20 Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa. 21 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay. 22 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay . 23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo. 24 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay Asa 28, 28-31 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
30 Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy, 31 dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana. Jer 31, 7-9 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »7 Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely. 8 Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ. 9 Amin'ny fitomaniana no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
Jao 9, 24-38 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany. 25 Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao. 26 Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao? 27 Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo? 28 Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy. 29 Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany. 30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy. 31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. 32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba. 33 Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy. 34 Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy. 35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? 36Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? 37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. 38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
1Pet 4, 1-6 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota; 2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; 5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty 6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
Gal 2, 11-21 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »11 Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy. 12 Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy. 13 Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny fihatsaram-belatsihiny koa. 14 Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy? 15 Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa, 16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna. 17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany! 18 Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho. 19 Fa raha izaho, dia tamin'ny lalàna no nahafatesako ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho. 20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. 21 Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
Nom 15, 37-41 « AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON'NY TOMPO »37 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 38 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny. 39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana, 40 mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo. 41 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|