37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. 38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
Jer 31, 31-34 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »31 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, 32 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah. 33 Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. 34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Heb 10, 11-18 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; 12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, 13 ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. 14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. 15 Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe: 16"Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," 17 dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34). 18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
Eks 14, 26-31 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »26 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. 27 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. 28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 29 Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. 30 Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana. 31 Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
Mat 22, 34-40 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »34 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona. 35 Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe: 36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna? 37 Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5). 38 Izany no didy lehibe sady voalohany. 39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 40 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
Rom 10, 11-18 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »11 Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16). 12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. 13 Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5). 14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? 15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7). 16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.) 17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy. 18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4).
1 Tim 6, 11-16 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »11 Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany; 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany; 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
2 Sam 7, 25-29 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »25 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. 26 Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao. 27 Fa Hianao, Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao. 28 Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao, 29 dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
Dan 3, 28-30 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. 29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao. 30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.
Lev 26, 40-45 « VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO »40 Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin'ny nanoherany Ahy, 41 ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny fahavalony, raha hietry amin'izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin'ny helony izy, 42 dia hotsarovako ny fanekeko tamin'i Jakoba sy ny fanekeko tamin'Isaka ary ny fanekeko tamin'i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany. 43 Ary ny tany hilaozan'ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin'ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan'ny fanahiny ny didiko. 44 Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny. 45 Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta teo Imason'ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|