JAO 2. 1-12 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 1 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy. 2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady. 3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy. 4 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. 5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo. 6 Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. 7 Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8 Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. 9 Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy 10 ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. 11 Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. 12 Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
LIO 5. 1-11 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.
JAK 1. 2-7 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo, 3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona. 5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. 6 Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. 7 Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany
EZR 3. 8-13 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 8 Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nahatongavany tany amin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, mbamin'ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin'ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian'ny asa amin'ny tranon'i Jehovah. 9 Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda, ho tonian'ny mpiasa tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa mbamin'ny zanany sy ny Levita rahalahiny. 10 Ary rehefa naorin'ny mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely. 11 Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin'ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an'i Jehovah, satria vita ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah. 12 Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly; 13 ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
2SAM 10. 9-19 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 9 Ary rehefa hitan'i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana. 10 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny halahany hiady amin'ny taranak'i Amona. 11 Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao. 12 Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ny tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony. 13 Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin'ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo. 14 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan'i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak'i Amona ka tonga tany Jerosalema.
15 Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nivory izy. 16 Ary Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary dia tonga tany Helama izy; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadadezera, no nitarika azy. 17 Ary nony nambara tamin'i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin'i Davida, ka dia rafitra ny ady. 18 Ary vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin'ny Syriana Davida sady namely an'i Sobaka koa, ilay komandin'ny miaramila, ka nahafaty azy teo. 19 Ary nony hitan'ny mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony. ROM 10. 5-17 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5). 6 Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,) 7 na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.) 8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay; 9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena. 11 Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16). 12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. 13 Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5). 14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? 15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7). 16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.) 17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
1TAN 12. 19-22 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 19 Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony. 20 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase. 21 Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila. 22 Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.
FIL 1. 1-8 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 1 Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy; 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Misaotra an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo 4 mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana, 5 noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; 6 ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy; 7 fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy. 8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy. GAL 3. 23-29 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. 26 Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
GAL 3. 1-9 « MIARA-MIASA AMIN'NY FINOANA NY MINO » 1 Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana? 2 Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana? 3 Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny? 4 Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany? 5 Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana? 6 Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). 7 Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama. 8 Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3); 9 ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|