23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. 25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay. 26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina. 27 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity. 28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Eks 4, 1-8 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »1 Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah. 2 Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity. 3 Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy. 4 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy 5 mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
6 Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala. 7 Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy). 8 Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy. Lio 4, 23-30 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »23 Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa. 24 Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny. 25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra; 26 nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena. 27 Ary maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany. 28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany, 29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana. 30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
Isa 45, 20-25 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »20 Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin'izay andriamanitra tsy mahavonjy. 21 Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho. 22 Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. 23 Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe: 24 Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy. 25 Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
2Kor 1, 17-20 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »17 Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana? 18 Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia; 19 fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany. 20 Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.
1Sam 12, 1-5 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »1 Ary hoy Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo. 2 Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany. 3 Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany. 4 Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan'olona na dia iray akory aza. 5 Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
1Jao 5, 18-21 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. 19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa. 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 21 Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.
Isa 46, 3-7 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »3 Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: 4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. 5 Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? 6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. 7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
Jao 5, 19-23 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka. 20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo. 21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany. 22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
Hos 12, 1-7 « VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO »1 Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky. 2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta. 3 Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony. 4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra; 5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika; 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy. 7 Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|