DEO 8. 7-18 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra, 8 tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely, 9 tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. 10 Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao, 11 dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio; 12 fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao, 13 ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra, 14 dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, 15 Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran'afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato, 16 Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany; 17 ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao; 18 fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao.
1TAN 14. 8-17 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 8 Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy. 9 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita. 10 Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy. 11 Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima. 12 Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo. 13 Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray. 14 Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama. 15 Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina. 16 Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy. 17 Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.
ASA 27. 42-44 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 42 Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka. 43 Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany, 44 ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
LIO 8. 22-25 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 22 Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy. 23 Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo. 24 Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. 25 Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
SAL 109. 10-13 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 10 Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy. 11 Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany. 12 Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty. 13 Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany.
1SAM 17. 42-51 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 42 Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy. 43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina 44 sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy. 45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy. 48 Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. 49 Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
APO 12. 7-12 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady, 8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. 9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. 10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. 11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza. 12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
SAL 66. 8-12 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 8 Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, 9 Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. 10 Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy. 11 Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. 12 Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
DEO 3. 1-7 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 1 Dia niverina isika ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan'i Basana, mbamin'ny vahoakany rehetra. 2 Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona. 3 Dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan'i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza. 4 Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan'i Oga tany Basana. 5 Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro. 6 Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy. 7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
JAO 8. 1-11 « MAMPANDRESY NY MPINO NY ASAN'NY TOMPO » 1 [fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva 2 Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy 3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy, 4 dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga 5 Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao? 6 Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany 7 Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany 8 Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany 9 Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo 10 Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? 11 Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony]
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|