Rom 8, 18-25 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, 21 sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. 24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
Lio 21, 25-28 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina. 27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
Mat 5, 1-12 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. 2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: 3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. 5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). 6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. 7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. 8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, 9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. 10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 11 Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. 12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Sal 121, 1-8 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 1 Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? 2 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. 4 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. 5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao. 6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. 7 Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. 8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay Fito 3, 25-27 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 25 Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.
26 Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana. 27 Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.25 Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. 26 Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana. 27 Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy. 2Tan 14, 10-14 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 10 Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao. 11 Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan'i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny. 12 Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda babo betsaka. 13 Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao. 14 Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman'osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
Mar 7, 24-30 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 24 Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. 25 Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony. 26 Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy. 27 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. 28 Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany. 29 Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia. 30 Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
2Kor 4, 7-11 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 7 Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay. 8 Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; 10 mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. 11 Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy.
Fil 3, 17-21 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika. 18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny; 19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy. 20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, 21 Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
Asa 3, 1-8 « MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO » 1 Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. 2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly; 3 nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. 4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. 5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. 6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. 7 Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. 8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|