Lio 11, 9-13 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. 10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? 12 ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? 13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
Sal 51, 6-12 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao. 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. 2Kor 3, 12-18 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 12 Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa, 13 ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona; 14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany. 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy. 16 Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana. 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. 18 Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Gal 5, 16-18 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. 17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. 18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
Isa 61, 1-9 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 1 Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, 2 Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, 3 Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. 4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela. 5 Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, 6 Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo. 7 Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy. 8 Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. 9 Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.
Sal 104, 24-30 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 24 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. 26 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any. 27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany. 28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; 29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy, 30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. 1Sam 10, 1-10 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany? 2 Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako? 3 Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara; 4 ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany. 5 Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo. 6 Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao. 7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao. 8 Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao. 9 Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo. 10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
2Pet 1, 16-21 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany. 17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5). 18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. 19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro; 20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; 21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.
Asa 4, 27-31 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina. 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
Gen 1, 1-5 « MANEKE HOHAVAOZIN'NY FANAHY MASINA » 1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. 5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|