Apo 12, 10-12 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. 11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza. 12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
Mat 9, 20-22 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. 21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho. 22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay.
Rom 1, 8-17 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo. 9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho, 10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra. 11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo, 12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy. 13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany. 14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; 15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho. 16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa. 17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4).
Tit 1, 10-16 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora - 11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto. 12 Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda". 13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana, 14 tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana. 15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany. 16 Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
2 Mpa 18, 1-8 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 1 Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda. 2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria. 3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy. 4 Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana. 5 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany 6 Fa nifikitra tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 7 Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin'izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ka tsy nanompo azy. 8 Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
Rom 4, 13-25 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. 14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana; 15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. 16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - 17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5). 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, 20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany. 23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany, 24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty, 25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
1Tes 3, 1-5 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 1 Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena, 2 ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo, 3 mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika. 4 Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo. 5 Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
Apo 3, 7-13 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 7 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. 9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
Mar 6, 25-34 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 25 Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa. 26 Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy. 27 Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany. 28 Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny. 29 Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
30 Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny. 31 Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza). 32 Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana. 33 Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany. 34 Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. Apo 2, 18-19 « MIJOROA AMIN'NY FINOANA » 18 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. |
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|