Rom 5, 1-5 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 1 Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 2 Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4 ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; 5 ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.
Rom 8, 5-11 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. 9 Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
Mik 3, 6-8 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.
Efe 5, 8-21 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava 9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), 10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo. 11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. 12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza. 13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. 14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. 15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, 16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. 17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo. 18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, 19 ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo, 20 misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, 21 sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,
Lio 1, 8-17 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony, 9 araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra. 10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra. 11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. 12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra. 13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. 14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany. 15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza. 16 Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. 17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).
Oha 12, 1-7 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 1 Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny. 3 Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika. 4 Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana. 5 Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy. 6 Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy. 7 Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra. Mar 13, 1-11 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto! 2 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. 3 Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe: 4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany? 5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 6 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. 7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana. 9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
Jak 4, 1-10 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 1 Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo? 2 Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. 3 Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo. 4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. 5 Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro. 6 Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). 7 Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. 8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. 9 Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. 10 Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
Jao 20, 21-23 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; 23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
Heb 2, 1-4 « METEZA HOFENOINA NY FANAHY » 1 Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika. 2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana, 3 hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa, 4 sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|