LIO 7. 18-23 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 18 Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy. 19 Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 20 Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 21 Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. 22 Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. 23 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
ROM 16. 25-27 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 25 Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, 26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, 27 ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.
MAT 8. 5-13 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 5 Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy 6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra. 7 Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy. 8Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 9 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy. 10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza. 11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra; 12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 13 Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.
EZE 20. 39-44 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 39 Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo. 40 Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra, 41 Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any amin'ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko aminareo. 42 Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo. 43 Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo. 44 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
KOL 1. 15-20 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.
ISA 30. 19-26 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 19 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy. 20 Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; 21 Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. 22 Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. 23 Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka; 24 Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana. 25 Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo. 26 Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
JAO 14. 8-11 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
SAL 145. 8-14 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 8 Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy. 9 Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra. 10 Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao. 11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao, 12 Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao.
13 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao. 14 Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika. APO 3. 7-13 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 7 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. 9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
SAL 74. 12-17 « MANEHO NY TENANY AMIN'NY ASANY NY TOMPO » 12 Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin'ny tany Izy. 13 Nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao anaty rano Hianao. 14 Hianao nanorotoro ny lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra. 15 Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra. 16 Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro. 17 Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|