Ezr 8, 28-31 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 28 Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo. 29 Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah. 30 Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray. 31 Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
Mar 8, 34-38 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. 35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. 36 Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? 37 Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? 38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.
Rom 6, 1-7 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 1 Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
Lio 22, 14-23 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. 15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. 16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo; 18 fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra. 19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. 20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. 21 Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra. 22 Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy! 23 Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
2Tan 35, 2-9 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 2 Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin'ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah. 3 Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony; 4 ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, sy araka ny voasoratr'i Solomona zanany koa. 5 Ary mitsangàna eo amin'ny fitoerana masina araka ny fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny fianakavian'ny Levita. 6 Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Mosesy. 7 Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i losia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo. 8 Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, nanome ondry aman'osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato. 9 Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
Jao 19, 38-42 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 38 Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin'i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin'i Jesosy. 39 Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy nony alina tamin'ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra. 40 Dia noraisiny ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin'ny zava-manitra, araka ny fanaon'ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina. 41 Ary nisy saha teo amin'ilay nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana; ary teo anatin'ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona. 42 Ary teo no nandevenany an'i Jesosy noho ny andro fiomanan'ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.
1Kor5, 6-8 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 6 Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? 7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
Mar 14, 3-9 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 3 Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka. 4 Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao? 5 Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo. 6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko. 7 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. 8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy. 9 Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
Zak 3, 1-5 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 1 Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy. 2 Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity? 3 Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely. 4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao. 5 Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
Lio 24, 1-12 « HAZÒNY NY FAMONJEN'NY TOMPO » 1 Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. 2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana. 3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo. 4 Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. 5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? 6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: 7 Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. 8Dia nahatsiaro ny teniny izy. 9 Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra. 10 Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly. 11 Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany. 12 Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
|
AuteurANDALAN-TSORATRA MASINA ISANANDRO ARAKA NY LOHAHEVITRA FJKM VOKARIN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE Archives
Mai 2024
Catégories
Tous
|