Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-358 @365
Herinandro faha-52 @52 |

Zakaria 9

Ny handravana ny firenena maro, sy ny voninahitra ho azon'i Ziona kosa
1 Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely - 2 Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy. 3 Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe. 4 Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo. 5 Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana. 6 Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan'ny Filistina. 7 Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita. 8 Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko. 9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany. 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano. 12 Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho. 13 Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao, 14 Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo. 15 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara. 16 Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny. 17 Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago