Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-357 @365
Herinandro faha-51 @52 |

Zakaria 8

1 Ary tonga ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin'ny fahatezerana mafy Aho. 3 Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina. 4 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany; 5 ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe. 6 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho; 8 ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. 9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin'izao andro izao avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny andro nanaovana ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly. 10 Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra. 11 Fa amin'izay kosa dia tsy ho toy ny tamin'ny fahiny intsony amin'ny sisa amin'ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 12Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. 13 Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo. 14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho, 15 dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda amin'izao andro izao: aza matahotra ianareo. 16 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; 17 ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah. 18 Ary ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe: 19 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin'ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana. 20 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin'ny tanàna maro ho avy; 21 ary ny mponina ao amin'ny anankiray hankany amin'ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho koa mba handeha. 22 Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro, any Jerosalema sy hifona amin'i Jehovah. 23 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago