Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-359 @365
Herinandro faha-52 @52 |

Zakaria 10

1 Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny. 2 Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. 3 Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady. 4 Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra. 5 Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly. 6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. 7 Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony. 8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy. 9 Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina 10 Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany 11 Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta. 12 Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago