Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-129 @365
Herinandro faha-19 @52 |

Tonon-kiran'i Solomona 6

1 Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
2 Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia. 3 An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia.
4 Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva. 5 Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada. 6 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana, 7 Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao. 8 Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa. 9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
10 Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?
11 Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra. 12 Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago