Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-128 @365
Herinandro faha-19 @52 |

Tonon-kiran'i Solomona 5

1 Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
Teny nataon'ny ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin'i Jerosalema
2 Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina. 3 Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy? 4 Nampiditra ny tànany teo amin'ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko. 5 Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon'ny miora teo amin'ny famohana ny hidin-trano. 6 Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany. 7 Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako. 8 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho. 9 Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
10 Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina. 11 Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika. 12 Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy. 13 Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora. 14 Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira; 15 Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera. 16 Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema!

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago