Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-126 @365
Herinandro faha-18 @52 |

Tonon-kiran'i Solomona 3

1 Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy. 2 Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian'ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy. 3 Hitan'ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian'ny fanahiko iny? 4 Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian'ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, dia any amin'ny efi-tranon'ilay niteraka ahy. 5 Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
Ny amin'ny nampakarana an-dravehivavy
6 Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto? 7 Indro ny filanjan'i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin'ny lehilahy mahery amin'ny Isiraely, no manotrona azy. 8 An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin'ny alina. 9 Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka tamin'ny hazo avy any Libanona: 10 Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema. 11 Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago