Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-148 @365
Herinandro faha-22 @52 |

Titosy 1

Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta
1 Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 2 amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola; 3 fa tamin'izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika; 4 ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5 Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; 6 raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra. 7 Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto, 8 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po, 9 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra. 10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora - 11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto. 12 Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda". 13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana, 14 tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana. 15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany. 16 Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago