Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-4 @365
Herinandro Voalohany @52 |

Salamo 9

Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy
1 Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. 2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. 4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. 5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. 6 Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza. 7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, 8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. 9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy. 10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
11 Mankalazà an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany. 12 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy. 13 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana, 14 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao.
15 Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony, 16 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy. 17 Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra. 18 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.
19 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. 20 Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago