Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-3 @365
Herinandro Voalohany @52 |

Salamo 8

Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona
1 Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao. 2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, 4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? 5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. 6 Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony, 7 Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, 8 Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina. 9 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago