| Andro faha-43 @365
|
Salamo 76
Fiderana an'Andriamanitra noho ny nisehoan'ny fitsarany marina
1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany; 2 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany. 3 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
4 Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin'ny tendrombohitra fitohàna. 5 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra. 6 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly. 7 Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao? 8 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina, 9 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.
10 Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao. 11 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra. 12 Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.