| Andro faha-36 @365
|
Salamo 66
Fiantsoana izao rehetra izao hisaotra an'Andriamanitra noho ny nataony ho an'ny mpanompony
1 Ho an'ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra; 2 Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy. 3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny fahavalonao Anao. 4 Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. 5 Avia, ka jereo ny asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona. 6 Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin'Andriamanitra. 7 Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.
8 Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, 9 Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. 10 Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy. 11 Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. 12 Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
13 Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko, 14 Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. 15 Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho.
16 Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko. 17 Izy no nantsoin'ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako. 18 Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo; 19 Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy. 20 Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.